Nitohy teny amin’iny faritra iny ny fanentanana sy ny fampianarana ny mpivarotra ataon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra an’ireo mpivarotra ny “Alignement”,
ny fahadiovana sy filaminana, ny tsy maintsy itondran’ireo mpivarotra kifafa sy sobika, ny fanajana ny ora fidirana sy firavan’ny mpivarotra, ny tsy maintsy hanadiovan’izy ireo ny toerana avy nivarotany. Hetsika efa natomboka tamin’ny 01 Jolay izy ity, ary hitohy hatrany satria nahitam-bokany, toy ny fikorianan’ny fifamoivoizana.
FARAFANGANA
Tapatapaka ny jiro ao an-drenivohitry ny faritra Atsimo Atsinanana noho ny tsy fahampian’ny solika. 14 amin’ny 24 ora ihany no mandeha ny jiro. Velon-taraina ireo olona manana fototr’asa miankina amin’ny herinaratry ny Jirama. Mandany solika 2000 litatra isan’andro eo ny Jirama ao Farafangana. Tsy maharakany filàna anefa ny tahiry ka izao tapatapaka izao ny jiro.
FAMPIANARANA
Tapaka nandritra ny filankevitry ny governemanta omaly ny hanokafana lisea fampiharana ankapobeny miisa efatra manomboka amin’ny taom-pianarana ho avy io, dia ny lisea Kiranomena-Fenoarivobe (Bongolava), lisea Ankarana-Farafangana (Atsimo Atsinanana), lisea Marovato-Port Bergé (Sofia) ary ny lisea Ambatosia-Bealanana (Sofia).
ABATOARA
Nakaton’ny fanjakana vonjimaika ireo abatoara telo mpanondrana hena mankany ivelany, dia ny Doli Food (Dago Trade teo aloha) eny Vontovorona-Antananarivo Atsimondrano, Golden Bull ao Ihosy, ary ny Madagascar Business Group (MBG) eny Ambanitsena-Antananarivo Avaradrano. Tsy fanarahan-dalàna no voalaza fa antony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.