Nisy fiovana ny fandaharam-potoana ho fanaovam-beloma farany ireo namoy ny ainy tamin’ny lozam-pifamoivoizana an-dranomasina nitranga tany Soanierana Ivongo ny alahady teo
Rehefa tonga teto an-drenivohitra mantsy ny razana ny talata alina teo ka nifampidinika ireo tompo-manjo rehetra, dia tapaka fa mbola nijanona tany an-tranon’ny fianakaviana avy ireo razana omaly alarobia, ka anio vao hoentina ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina Mahamasina ary ao no hatao ny fiaretan-tory. Ny zoma kosa vao hatao ny fandevenana ireo razana efatra. Anisan’izany moa ny Minisitry ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy, Nadine Ramaroson. Manao ranolava ny fanehoana fiaraha-miory amin’ireo niharam-boina. Ny antoko MAMAFISOA (Malagasy Mandroso ao anatin’ny Fihavanana sy ny Soatoavina), tarihin’Atoa Rajemison Rakotomaharo dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakavian’Itompokovavy Nadine Ramaroson sy ny fianakavian’ireo rehetra namoy ny ainy tamin’ny loza an-dranomasina tao Soanierana Ivongo iny. Mitondra ihany koa ny fankaherezana sy ny fampiononana ho azy ireo homban’ny herin’Andriamanitra. Mpanao gazety maro kosa no nitanjozotra niondrika farany teo anatrehan’ny trano vorona misy ny nofo mangatsiakan’ny namana Andrianjafison Heriniaina teny amin’ny trano fonenany fahavelony eny Mahazo omaly.
Rabe
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.