Actualités

Ireo niharam-boina tamin’ny “Lundi noir” Mitaky ny hanonerana ny fananan’izy ireo simba


  • Alakamisy 31 Mey 2012

Niatrika fivoriambe tetsy amin’ny Espace Dera Ampasanimalo, omaly alarobia 30 mey, ireo fikambanana samihafa ahitana ireo niharam-boina tamin’ny “Alatsinainy mainty” ny 26 janoary 2009.

 Tapaka nandritra io fa hiara-kirona hametraka lalàna vaovao ahafahana mitaky ny zony ireo izay rava fananana tamin’iny fotoana iny. Mbola tazonina ho tsiambaratelo hatreto ny paikady hatao ao anatin’izay, hoy Ranaivonjaka Heritiana, mpitarika ity firohotana ity. Ny antony manokana tena anaovanay izany fitakiana izany amin’izao fotoana izao dia satria mila tsy ho tanty intsony ary ny zava-misy mihitsy no manery fa efa mafy be ny fitondrana ny asa aman-draharaha amin’izao fotoana izao.

Nandritra izay telo taona izay dia niezaka ihany izahay nifampiresaka tamin’ny fitondram-panjakana ary nandefa taratasy ihany koa nefa tsy nety nahazo valiny mihitsy. Tafahaona ny rehetra ary samy nilaza fa efa manomboka tsy mety intsony ity fitakiana sy fangataham-baliny tsy misy mihaino ity. Nomarihan-dRanaivonjaka Heritiana fa raha ireo niharam-boina tonga nivory omaly dia tsy mbola nisy nahazo tambin’ny zavatra simba mihitsy nefa misy naman-dry zareo telo hafa nilaza fa efa nonerana 100% ny fahavoazany. Ny fahenoana io no nahatonga anay ho sorena, hoy izy, raha hoe misy mizana tsindrian’ila amin’ity resaka ity. Nisy ihany koa ny hafa tamin’ny alalan’ny ambasadin-dry zareo no nahazo izany tambiny na fanampiana izany ka zary lasa kamboty eto foana izany ny mpandraharaha Malagasy ka izay no antony hangatahanay amin’ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ity raharaha ity. Marihina fa manodidina ny 400 any ho any ireo orinasa nitondra faisana manerana ny Nosy tamin’iny andron’ny 26 janoary 2009 iny.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT