Sambany no manamarika ny iray volan’ny Ramadany amin’ny hetsika hafa ireo mpianatra eo anivon’ny sekoly ambony IPAM ( Institut Privée Al-Moustapha Madagascar).
Tamin’ny alalan’ny fifaninanana lalao baolina kitra hifanandrinan’ny mpianatra sy ny mpanabe ary ny mpianatra teolojia musulman no nanamarihany izany, lalao notanterahina ny faran’ny herinandro teo. Ho an’izy ireo mantsy dia ahafahana maneho firaisankina sy fifandeferana ary fifanampiana ny fanatanjahantena, soatoavina anisan’ny avoitrany mandritra izao volana ramadany izao. Tsy ny fanahy irery mantsy no beazina, hoy hatrany izy ireo fa tsy maintsy tsinjovina ihany koa fanatanjahana ny vatana mba ho tombontsoan’ny fahasalamana sy hahafahana mifantoka amin’ny fanamafisam-pinoana ary ny fahamasinana. Notolorana loka 300.000 Ar ny mpandresy tamin’ny lalao famaranana. 200.000 Ar ny an’ny faharoa ary 100.000 ny an’ny laharana fahatelo, hoy ny tale jeneralin’ny sekoly Sayed Taqi Ghazavi. Ezahina hotohizana isan-taona ny hetsika. Hitombo ny taranja hifaninanana mandritra izany izay hisokatra ho an’ny sekoly ambony eto amintsika hahafahan’ny mpianatry ny IPAM mifandray sy misokatra amin’ny rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.