Fikambanana hivondronan’ireo kaominina miisa 33 eto Antananarivo renivohitra sy ivelany ny Ivom-panajariana ny tananan’Antananarivo sy ny manodidina na ny IPAM tarihin’ny filohan’ny filan-kevi-pitantanany Rado Ramparaoelina,
Ben’ny tananan’Ampitatafika. Tamin’ny taona 2019 no niorina ny fikambanana nahazo fahazoan-dalana mazava avy amin’ny Ministeran’ny Ati-tany ary mbola afaka mandray kaominina 5 hafa hiditra ho mpikambana ao aminy. Mandoa latsak’emboka isam-bolana ao anatin’ny fikambanana ny kaominina saingy ho setrin’izany kosa dia maro ireo tombontsoa sitrahany mivantana raha araka ny fantatra omaly. Nanatanteraka fihaonambe tetsy amin’ny Solimotel Anosy mantsy ireo mpikambana omaly. Fantatra ary fa efa nivoaka na dia somary tara aza ny ampahan’ny famatsiam-bola nomen’ny Agence Francaise de developpement azy ireo mitentina 1 tapitrisa amin’ny 3 tapitrisa Euros. Ho afaka hiasa amin’izay araka izany ny IPAM koa raha mbola nanofa trano tetsy Manakambahiny teo aloha dia fantatra omaly fa hividy tany sy trano hahafahan’izy ireo miasa avy hatrany ny fikambanana. Hovatsiana fitaovana ihany koa izany foiben-toeran’ny IPAM vaovao izany hahafahan’ireo Ben’ny tanàna mpikambana miasa sy manatanteraka ny andraikiny. Fa ankoatra io tombontsoa iombonana io dia fantatra fa hahazo fanampiana ihany koa ireo kaominina mpikambana. Teboka 4 lehibe no hiasana ao anatin’izany dia ny resaka fanodinana ny fako, ny resaka manodidina ny tany, ny fitanterana ary ny fanajariana ny tanana. Afaka 12 volana moa no hiatrika fifidianana ho an’ny birao vaovao hitantana azy indray ireo mpikambana eo anivon’ny IPAM.
Pati
Legende : Ny filohan’ny filan-kevi-pitantanan’ny IPAM Rado Ramparaoelina notronin’ireo mpiara-miasa akaiky aminy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.