Actualités

IPAC Mandefa mpianatra 4 isan-taona hiofana any ivelany


  • Alatsinainy 01 Aogositra 2011

25 taona amin’ity 2011 ity no nijoroan’ny IPAC, ivotoerana ambony manofana momba ny taovolo sy ny bika aman’endrika.

 Maro ireo hetsika anamarihana io jobily io izay nosantarina tamin’ny alalan’ny fanompoampivavahana tetsy amin’ny Fjkm Ankadifotsy. Fianarana avo lenta no omena ny mpianatra ao amin’ny IPAC izay ezahana hanaraka ny fandrosoana eto an-toerana sy any ivelany. Miara-miasa amin’ny sekoly vahiny tokoa mantsy ity ivotoerana ity ka anisan’izany ny Ecole Jean Claude Aubry any Frantsa.  “Misy hatrany fifanakalozana traikefa izay ianarana momba ny teknika sy ny estetika saingy ry zareo vahiny koa dia mianatra amintsika amin’ny alalan’ny randrana”, hoy Rtoa Robilalao, filoha mpanorina ny IPAC.

Isan-taona dia mandefa mpianatra efatra na enina isan-taona manaraka fiofanana any amin’ny Ecole Jean claude aubry ny IPAC ka izay tena mahay, manana fitondran-tena tsara ary havanana amin’ny serasera no mahazo io tombontsoa io. Nomarihan-dRtoa Robilalao fa noho ny fiofanana azony  dia afaka miatrika ny tsenan’ny asa iraisam-pirenena ireo mpianatry ny IPAC. Misy amin’ireo 4.000 eo nandalo tao an-toerana tao anatin’izay 25 taona izay no manana ny orinasany manokana na eto an-toerana na any ivelany. Iray volana na iray volana sy tapany ny faharetan’ny fiofanana izay ianarana koa ny “comptablité”, ny fahaiza-miaina ary ny serasera ankoatra ny taranja fototra. Telo moa ireo sekoly IPAC izay eto an-drenivohitra avokoa.

 

Yves  

 

Sary : Ramatoa Robilalao, filoha mpanorina ny IPAC

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT