Teny amin’ny CCI Ivato no nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo ny andiany Fy-Zaha avy ao amin’ny sekoly ambony fandrahon-tsakafo sy hotely INTH Ampefiloha.
Miisa 300 ireo mpianatra notolorana marim-pahaizana, raha toa ka marim-pankasitrahana ho an’ireo mpampianatra mpanofana ary arak’izay seham-piofanana narahin’ny mpianatra tsirairay ka tao ireo izay nahazo marim-pahaizana «licence», BTS, fanamarinana ary sertifika. Manomboka amin’ny enim-bolana hatramin’ny telo taona ny faharetan’ny fianaran’ireo mpianatra, ka maro ireo nisafidy ny fiofanana anaty fotoana fohy, mba ahafahan’izy ireo miasa avy hatrany noho ny hasarotan’ny fiainana. Isan’ny nampiavaka ity andiany ity araka ny nambaran’i Andriamparany Mamiharijaona, talen’ny fifandraisana ao amin’ny INTH, ny fisian’ny fiofanana manokana avy amin’i Sefo Luc avy any Bruges Belgique, vokatry ny tetikasa fifanakalozana traikefa eo amin’ny INTH sy ny toeram-piofanana maro avy any ivelany.
Nanatrika ary nanome voninahitra ny lanonana ny Minisitry ny fizahantany, Rakotomamonjy Jean Max, izay nilaza fa «tena mampandroso sy hiankinan’ny toekarena sy ny fizahantany ireo mpianatra vao nivoaka sy ny asany ary natao hiasa mafy indrindra amin’ny fotoana fialan-tsasatra, satria izay no fotoana maha betsaka mpizahatany”. Nampirisika ireo mpiara-miombon’antoka ihany koa izy mba handray ireo mpianatra vao nivoaka hampitombo ny fahaizan’izy ireo. Ny tale mpanorina ny orinasa Elite GSM, Randriarimalala Jaona, kosa no Ray mpiahy ny andiany Fy-Zaha, nampirisika ireo mpianatra hazoto sy harisika amin’ny fidirana amin’ny sehatry ny asa amin’ity sehatra ity izy satria miroborobo io asa io amin’izao fotoana. Ankoatra izay dia nanolotra finday ho an’ireo mpianatra mendrika izy tamin’izany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.