Actualités

Institut supérieur de la technologie Hanangana oniversite nomerika


  • Alarobia 04 Mey 2016

Hamaky lay ny fananganana oniversite nomerika eto amintsika ny Sekoly ambony « Institut Supérieur de la Technologie » etsy Ampasampito

 

 Antananarivo sy ny any Ambositra ary ny any Antsiranana. Amin’ny alalan’ilay  tetikasa FIERS no hanatanterahany izany hahafahana mampiroborobo ny fianarana hampitain-davitra. Lohalaharana ao anatin’ny tetikasa ny fanofanana ny mpampianatra hahafahan’izy ireo manamboatra sy mikarakara ilay cours en ligne omena ny mpianatra izay hiparitaka manerana izao tontolo izao satria ho hita amin’ny alalan’ny internet. Am-polony ireo cours homanina amin’izany ety am-piandohana raha araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny IST eto Antananarivo Rakotomalala Jean Lalaina.  Tsy latsa-danja amin’izany ny fikarohana  hataon’ny mpampianatra entina hanatsarana ny asa hahafahana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena izay tena takiana amin’izy ireo tokoa. Mitentina 60.000 Euros ny vola ilaina amin’izany. Ny 10.000 Euros no efa eo am-pelatanan’ny sekoly ambony IST hatreto raha mbola hangatahina any amin’ireo mpiara-miombon’antoka kosa ny  50.000 ambiny. Haharitra herin-taona ny tapany voalohany amin’ny tetikasa FIERS amin’izao fiandohany izao.  Tsiahivina moa fa ho afaka hamatsy  fitaovana ireo mpianatra hivoaka ihany koa ity tetikasa ity atsy ho atsy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT