Tsy nahafa-po ary nanjavozavo sy mifono hevitra ambadika avokoa ny valin-teny nomen’ny sekretera jeneralin’ilay ivontoeram-pampianarana ambony tantanana teratany Tiorka na ny Institut Ravinala etsy Andavamamba tamin’ireo mpanao gazety tonga teny an-toerana omaly.
Nanoloana ny filazan’ny avy eo anivon’ny masoivohon’ity firenena ity miasa eto amintsika izay nanambara fa misy ivontoerana mamolavola mpampihorohoro eto dia mba nampiantso mpanao gazety ihany koa ireo sekoly nahatsiaro voatohintohina. Raha nanontaniana ny loharanom-bola mampihodina ny fotodrafitrasa ilay tompon’andraikitra hoe dia nofeheziny tamin’ny fanomezana avy amin’ny malala-tanana. Ankoatr’izay, nailiny tamin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka amin’izy ireo koa ny mikasika ny toerana andefasana ireo mpianatra ao aminy rehefa hanohy fianarana any ampitan-dranomasina. Izany hoe, tsy misy firenena voalaza mazava fa na Tiorkia na Frantsa na italia ... Teny filamatry ny sekoly moa ny hoe « Ravinala, ivontoeran’ny kolontsaina sy ny fifampiresahana ». Nilaza anefa ilay sekretera jeneraly fa tsy nisy ny fifampiresahana tamin’ny avy eo anivon’ny masoivohon-dry zareo talohan’ny namoriany mpanao gazety omaly. Tsy mazavazava !
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.