Tanterahina etsy amin’ny hotel Carlton Anosy nanomboka omaly ilay fihaonambem-paritry ny mpikambana ao amin’ny “Institut Mondial des caisses d’Epargnes” IMCE andiany faha-22 aty amin’ny faritr’i Afrika.
Firenena miisa 27 no mandray anjara amin’izany, misy caisse d’epargne manodidina ny 41 isa izay manana tanjona hifanakalo hevitra sy traikefa entina hanatsarana ny asa sahanin’izy ireo sy ho tombontsoan’ny mpanjifa. Anisan’ny lohahevitra hobanjinina mandritra izany ny telo andro hihaonan’ny mpikambana ny hoe : Fikatsahana izay mahasoa amin’ny fandraharahana ara-bola tsy manavaka , hamoahana môdely iray miavaka azo hampiharina aty Afrika. Efa betsaka ny ezaka vita hatramin’ny fotoana niorenan’ny Caisse d’Epargne rehetra aty amin’ny Faritra Afrika amin’izay firenena misy azy raha araka ny fanazavana azo saingy na izany aza mbola betsaka ihany koa ny fanatsarana tokony hatao. Hatreto mantsy dia mijanona amin’ny fikarakarana manokana ny mpanjifa ny amin’ny mba hananan’izy ireny tahirim-bola manokana izy ireo ankoatra ny fanatsarana hatrany ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta. Andrasana aorian’ny atrikasa ny hahafahana miroso ho an’ny tsaratsara kokoa hatrany, raha araka ny fanazavan-dRajerison Dominique, talen’ny Caisse d’Epargne eto amintsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.