Actualités

InSPNMad Manakambahiny Nitokona ireo mpianatra ho Paramed


  • Talata 09 Aogositra 2011

Fangatahana hanao fiofanana arak’asa na «stage», tsy manaiky ny fandrahonana sy fandroahana mpianatra !

 Santionany amin’ireo fitakian’ireo mpianatra eo anivon’ny lalam-piofanana «paramédical» etsy amin’ny InSPNMad Manakambahiny ireo. Nitokona tsy nianatra, ary nilanja sorabaventy teo ivelan’ny sekoly izy ireo omaly nanehoany ny fitakiana. Araka ny filazan’ireo mpianatra ireo dia tsy nahazo sehatra nanaovana fampiharana izy ireo na dia efa tafiditra ao anatin’ny zon’izy ireo aza izany ary nandoavana vola. Fito alina ariary no saram-pianarana isam-bolana sy valo alina ariary «frais généraux» izay tokony ho efa misy ny antoka hahazoana manao ny fampiharana. Tsy izany anefa no mitranga, araka ny fitarainan’ireo mpianatra, satria dia mbola takian’ny sekoly vola telo alina ariary ny mpianatra raha mitady hanao io fampiharana io. Anisan’ny lalam-piofanana manintona mpianatra maro tokoa ny «Paramédical» satria raha ny eo anivon’ity sekoly tsy miankina ity dia tafakatra hatrany amin’ny 70 ny iray kilasy, mihoatra ny fenitra. Milaza ny tsy hijanona ny fitokonana ataon’ireo mpianatra eo anivon’ny InSPNMad raha tsy azon’izy ireo izay takiany.

 

Nangonin’i Soa

 

Sary : Fitokonan’ny mpianatra Paramed InSPNMad Manakambahiny (sary Rakotobe)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT