Miandry ny valin’ny fanadihadiana hataon’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Bianco mikasika ny mbola
tsy hisitrahan’ireo inspecteurs sy controleurs de travail ny tambin-karamany ireto farany hatreto. Na dia eo aza mantsy ny hamehana ara-pahasalamana dia mitohy hatrany ny fitokonana hantanterahin’ny Syndicat Autonome des inspecteurs du Travail sy ny Collectif des controleurs du travail. Mitaky ny tambin-karaman’izy ireo tsy voaloa nanomboka tamin’ny taona 2016 izy ireo raha tsiahivina ankoatra ny famoahana ilay sata manokana mifehy azy ireo izay voafaritry ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny asa laharana faha-81 sy 129 izay nankatoavin’i Madagasikara. Marihina moa fa ny didim-panjakana mikasika io tambin-karama io dia efa nahazoana ny sonian’ny mpitantana eo anivon’ny governemanta tamin’izany fotoana izany saingy tsy mba nahazoana laharana tamin’ny primatiora. Andrasana hatramin’izao izany raha araka ny fantatra satria ny sora-bola mifanaraka amin’izany dia efa voafaritra ao amin’ny tetibolan’ny Ministeran’ny misahana ny asa nanomboka tamin’ny taona 2016. Anisan’ny mampametra-panontaniana ny maro mikasika ity raharaha ity moa ny mety hahatafidirany ao anatin’ilay fanodikodinam-bola izay nambaran’ny gazety mpiseho isan’andro iray teto amintsika fa niseho teo anivon’ny Ministera mpiahy azy ireo. Efa dimy volana katroka moa izao no nitokonan’izy ireo izay efa narahin’izy ireo fitakiana ny amin’ny tokony hialan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny asa tsy mahavaha olana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.