Actualités

Injeniera miresaka fampandrosoana Ilaina ny fifehezana sy fampiasana teknolojia vaovao


  • Alarobia 14 Desambra 2022

Anisan’ny noresahina nandritra ny Ambodivona ny "salon de l'ingénieur 2022 nanomboka omaly teny Ambodivona ny lohahevitra hoe :

Ny anjara toeran'ny injeniera eo amin'ny asam-panjakana ambony na "La place de l'ingénieur dans les hauts fonctions de l'Etat". Nandritra ny fandraisam-pitenenan'ny minisitry ny asa vaventy no nanamafisany ny anjara andraikitra ananan'ny injeniera amin'ny fampandrosoana ny firenena amin'ny fanatanterahana ireo fotodrafitr’asa samihafa izay hampiasain'ny vahoaka malagasy. Nisy koa ny fanentanana nataony ny amin’ny fifehezana sy ny fampiasan'ireo injeniera ny teknolojia vaovao izay ilaina amin'ny fanatanterahana ireo asa sy hahafahana mifaninana amin'ireo injeniera avy any ivelany. Nanafatra ireo mpianatra injeniera ny minisitra ny amin’ny tokony hianaran'izy ireo ny fahaiza-mitarika sy ny fahaiza-mitantana izay tena ilaina eo amin'ny tontolon'ny asa amin'ny ankapobeany. Fanontaniana goavana mipetraka anefa etsy ankilan’izany rehetra izany ny hoe hatraiza ny enti-manana na ara-kevitra na ara-materialy eo amin’izay fahafaha-manangana fotodrafitr’asa manara-penitra sy manaraka ny toetr’andro izay aty amin’ny tany farany mahantra toa an’I Madagasikara? Afaka mifaninana amin’ireo firenena matanjaka ve ny firenena marefo toa antsika eo amin’ny lafiny fifehezana ireo tekinolojia vaovao nefa izy ireny no mampita ilay fahaizana? Hatraiza ny fahafaha-manovo fahaizana, traikefa, fikarohana lalina kokoa manoloana ny olan’ny oniversite iaraha-mahalala ankehitriny ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT