Mivoatra ny raharaha manodidina ny fanodinkodinam-bola niseho tao amin’ny Tranopirintim-pirenena (Imprimerie Nationale), izay sampandraharaha miankina amin’ny minisiteran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola.
Mpiasa iray no voatazona am-ponja vonjimaika hatramin’ny tapatapaky ny volana jolay lasa iny. Nisy vola 60 tapitrisa Ariary, vidin’ny “duplicata de titres financiers” an’arivony isa an’ny sampandraharahan’ny fananantany nandritra ny taona 2015 sy 2016 tsy hita izay nanjavonany. Efa any am-pelatanan’ity sampandraharaha ity ireo antontan-taratasy ireo, araka ny voamarin’ny “Bon de livraison” saingy tsy niditra ao amin’ny kitapom-bolan’ny Tranopirintim-pirenena kosa ny vola.
Nahare ny fisian’io fanodinkodinam-bola io ny “Brigade de l’inspection Financière et de l’Audit” ao amin’ny Tahirim-bolam-panjakana ka nandefa iraka nanao fanadihadiana. Tsy afaka nanohy ny asany anefa ireo mpanaramaso ireo satria “nisy baiko midina” nampiato azy. Nisy ny fiovan-javatra ka dia notanterahina nanomboka tamin’ny herinandro lasa iny ny fanadihadiana nataon’ny “Brigade de l’inspection Financière et de l’Audit”, hanao ny azy koa ny “Inspection Générale de l’Etat”. Re fa dia hiakatra “Conseil de discipline” ihany koa ilay mpiasa voatazona am-ponja io, amin’ny maha mpiasam-panjakana azy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.