Actualités

Imerintsiatosika Zandary iray maty notsatohan'ny miaramila antsy


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2022

Zandary iray mitondra ny anarana Tsiasanda Ratsimandresy Jimmy manana galona “adjudant”

no namoy ny ainy rehefa noleran'ny miaramila kilasy faharoa tamin'ny antsy maranitra, ny faran’ny herinandro teo Ambohitrantenaina Imerintsiatosika. Nisy famadihana tao an-toerana ary tompon-danonana ilay zandary. Akaikin'ny tobin'ny Rezimantan'ny tafondro mavesatra (RAL) moa no nisy ny fety ka tonga "nanala" tao ny miaramila efa-dahy. Voalaza fa nisarizoro tamina tovovavy roa tompom-pamadihana izy ireo rehefa mamo. Rehefa tsy nanaiky izy roavavy dia namoahan'ny iray antsy, ka tamin'izay no nikiaka niantso vonjeo ireo vehivavy. Ren'ilay zandary izany ka niditra an-tsehatra haka ny antsin'ilay raikalahy, kinanjo, izy indray no voatsatok'antsy, in-dray mandeha teo amin'ny kibony, ary in-2 teo amin'ny tehezany havia. Raikitra ny rombo ary voasambotra ilay niletra tamin'ny antsy sy ny namany iray. Tafaporitsaka kosa ny roa. Nentina tany amin'ny HJRA ilay "adjudant", saingy tsy tana ny ainy. Miasa ao amin'ny BPR Toamasina izy ary hanao famadihan-drazana no nahatongavany tany Ambohitrantenaina. Efa voatazona any amin'ny zandarimaria ireo miaramila voasambotra hatao famotorana, hoy ny fampitam-baovao.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT