Io delestazy io no mety hampiongana ity Fitondran-dRajoelina ity, hoy ny resaka any anaty fiarahamonina. Tsy mijanona ho an’ny faritra iray intsony mantsy izany fa efa miparitaka manerana ny Nosy mihitsy.
Taorian’ny teny Andoharanofotsy, Anosimasina Itaosy, Fenoarivo… izay lasa fahazarana mihitsy ny miaina ao anaty haizina dia lasibatra ihany koa ny mponin’Imerintsiatosika efa ho tapa-bolana izao. Omaly alahady fotsiny dia nahatratra ora fito be izao ny fahatapahan-jiro niainan’ny mponina nefa mba fotoana fialan-tsasatra hiarahan’ny mpianakavy. Sorena ny ankamaroan’ny isan-tokantrano vokatr’izany. Mody kotrok’orana kely fotsiny dia tapaka ny jiro nefa ny faktiora aloha isam-bolana amin’ny JIRAMA tsy mitsaha-midangana. Ho an’ireo manao asa mivelona amin’ny herinaratra dia fantatra fa mahatsiaro mijaly sy mangirifiry izy ireny. Efa tapatapaka hatrany ny jiro isan’andro mbola tsy misy hiainana ihany koa ny faran’ny herinandro. Ho an’ireo mpanao volo mantsy raha araka ny fanadihadiana natao dia miezaka manarona ny banga amin’ny vola tokony hiditra aminy izy ireny rehefa Alahady nefa mbola tapaka ihany ny jiro.
Pati
(Sary tahiry)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.