Nisy voafonja nieritreretina namono tena tao amin` ny fonjaben` i Antanimora ny 25 novambra lasa teo.
Raha ny fantatra dia voarohirohy amina resaka fakàna an-keriny ity lehilahy 35 taona ity izay voasazy hiasa an-terivozona. Raha mbola nisazy izy dia nivoaka indray ny raharaha faharoa izay nahavoasaringotra azy. Nitaraina mafy tamin` ireo gadra niray efitra taminy izy manoloana izany didim-pitsarana izany saingy nisafidy ny namono tena tamin` ny alalan` ny zava-maranitra. Taitra moa ireo gadra sasany nahita ny rà nandrika teo amin` ny tendan` ity lehilahy izay tsy tana intsony ny ainy. Eo indrindra no tena mipetraka ny fanontaniana: ahoana ny fisavana ireo voafonja mialohan` ny fikatonana sy ny fivoahan` ny efitrano? Ahoana no hisian` ny zava-maranitra ao anatin`ny efitrano? Mazava ny lalàna fa tsy azo idiran` izany ao amin` ny fonja. Raha ny fanazavan`ny mpiandry fonja iray dia “tsy maintsy misy ny fisavana saingy tsy ampy mihitsy ny isan` ireo mpiandry fonja. Marihana fa na tavoahangy plastika aza anie dia vitan` ireo voafonja avadika ho zava-maranitra. Tranga efa nitranga tany Tsiafahy izany.” Ny eo anivon` ny ministeran` ny fitsarana kosa dia tsy maintsy hametraka laminasa vaovao momba ny raharaha tahaka izao. “Vitsy ny tranga toy ireny. Arakaraka ny zava-misy rahateo no handraisana fepetra ary hivory hiatrika izany” hoy Imbiki Herilaza, sekretera jeneralin` ny minisiteran` ny Fitsarana. Nomarihany fa tsy maintsy hisy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity indrindra ny fomba nahafahan` ilay voafonja namono tena. Notsipihany hatrany fa tsy ampy mihitsy ny fandraharahan`ny fonja eto Madagasikara. Marihana fa maherin` ny 30 000 isa ny voafonja manerana ny nosy saingy ny mpandrahara ny fonja miparitaka dia tsy ampy, hoy izy. Ny 4 sy 5 aprily teo moa ny minisitera no nanomana fifaninana hidirana ho mpandraharahan` ny fonja ho an` ireo “agents pénitenciers” 500 isa saingy nahemotra noho ny valanaretina Covid 19. Notsipihan`ity sekretera jeneraly ity hatrany fa “sarotra ny fanaraha-mason` ny fonja ary tsy ampy ny fitaovana”. Tsara no manamarika fa raha ny fenitra iraisam-pirenena dia mpiandry fonja iray no miambina gadra 05 saingy raha ny eto amintsika amin` ny ankapobeany dia mpiambina iray misahana gadra 20. Raha ho an`Antanimora izany dia mety miambina gadra 100 mihitsy aza. Midika izany fa mbola mila ezaka goavana ny fifehezana ny fandaminana ny fonja eto Madagasikara saingy efa miroso amin` izany ny ministera, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.