Actualités

Imbiki H sy Fanirisoa E Ady tsy mety vita efa ho 6 taona


  • Alarobia 02 Martsa 2022

Ady tsy mety vita, sakay sy maso an-taonany maro, fifampiandrasana an-kendritohana,… Io no mamintina ny fifandraisan’Atoa Imbiki Herilaza sy Rtoa Fanirisoa Ernaivo, efa 6 taona teo ho eo izao.

 Mpifaninana ho Filohan’ny SMM (Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara) tany amin’ny taona 2016, ary nandresy tamin’izany I Faniry Ernaivo. Nirotsaka ho kandida Filoha ity farany ny 2018, ary nanohana an’I Marc Ravalomanana tamin’ny fihodinana faharoa. Tany anatin’ny Ekipan’I Andry Rajoelina kosa I Imbiki Herilaza. Lasa Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, nafindra ho Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitsarana, niakatra ho loholona isan’ireo notendren’ny Filoham-pirenena, nakarina ho Minisitry ny Fitsarana rehefa nisy ny fanovana governemanta ny 15 aogositra 2021, voalaza fa tsara toerana ho Praiminisitra, saingy nianjera voatery niala tsy ho minisitra ny 11 febroary 2022 rehefa nirefotra ny raharaha ampamoaka samihafa nahavoatonona azy. Lohalaharana nanapoaka ny dosie Imbiki Herilaza I Faniry Ernaivo. Ity farany, izay marihina fa voatery nitsoaka any ivelany vao lany ho Filoha I Rajoelina. Tao anatin’ity Fanjakana ity no nivoahan’ny fanapahan-kevitra nanaisotra azy tsy ho mpitsara noho ny raharaha teny mahery nataony tamin’ny polisim-pirenena ny aogositra 2018 fotoana nanoherany niaraka tamina kandida Filoha maromaro ny valim-pifidianana. Fanapahana teo anivon’ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara na ny CSM, izay ny Filoham-pirenena no Filoha Farantampon’io, fotoana naha tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny Fitsarana an’Atoa Imbiki Herilaza.
NITSIMBADIKA NY RASA ?
Ny aogositra 2021 indray, nangotraka ny fanoherana nataon’ny Mpanohitra notarihin’I Faniry Ernaivo nandritra ny dian’i Andry Rajoelina tany Frantsa. Nandritra io, novoizin’i Faniry Ernaivo mafy, fa mihosona ao anatin’ny raharaha SMMC ahiahina kolikoly avo lenta tao amin’ny Seranantsambon’I Toamasina nahavoatonontonona an’i Rinah Rakotomanga i Imbiki Herilaza. Nanao fanambarana kosa Atoa Imbiki Herilaza tamin’io vanim-potoana io, fa tsy maintsy hosamborina I Faniry Ernaivo, efa fantatra ny toerana misy azy, ary efa mandeha ny fifanarahana ara-pitsarana ahafahana mampody azy aty Madagasikara na ny “Extradition”, saingy tsy tanteraka hatreto satria voalaza fa manana sata ho mpialokaloka ara-politika ao Frantsa. Somary nitsimbadika ny rasa satria tahaka ny nahaongana Minisitra i Faniry Ernaivo, ary mitohy ny fanenjehany an’i Imbiki Herilaza. Mbola tsy nisy kosa fanapahana noraisin’ny CSM momba io minisitra teo aloha io hatreto na betsaka aza ny ampamoaka. Tantara mitohy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT