Actualités

Ikongo 11 volana no tsy nandray vola ireo Bekotro 1947


  • Alakamisy 01 Septambra 2011


 Nanomboka tamin’ny volana oktobra 2010 iny no tsy nandray intsony ny vola fandray isan-telo volana ireo Bekotro maroholatra 1947 any amin’ny Distrikan’Ikongo, Faritra Vatovavy Fitovinany. Sady tsy fantatr’izy ireo mazava ny antony no tsy mbola nohazavaina tamin’izy ireo koa. Nambaran’ny sasany tamin’ireo Bekotro maroholatra fito amby efapolo, misitraka io vola fisotroan-dronono io, anefa fa izy ireo no tena nitolona mba hahazoana ny fahaleovantena izay ireharehan’ny mpitondra ankehitriny izao nefa izao toa hadinodino ny sorona sy herin-tsandry lanin’izy ireo tamin’izany fotoana izany. Manaitra ny fitondram-panjakana izy ireo mba hijery akaiky ny olana mianjady amin’ny mpiara mitolona any ambany ravinkazo any. “Nitsiriritra ery izahay”, hoy ireto Bekotro maroholatra 1947 ireto raha naheno ny tombontsoa sy vola azon’ireo mpiara-mitolona tany Moramanga tamin’ny 29 martsa lasa teo iny. “Mba niandry ihany izahay amin’ny anjaranay kanefa dia hatramin’izao !”.

 

Hyace R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT