Ikianja Ambohimangakely

> Novahan’ny CST Alain Ramarosona ireo trano nohidian’ny vaditany


  • Alatsinainy 07 Oktobra 2013


Nidina nivantana teny Ikianja Ambohimangakely omaly alahady 6 oktobra noho ny fangatahan’ireo mponina eny an-toerana ny filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana sady filoha lefitry ny vaomieran’ny fananan-tany eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Atoa Alain Ramaroson. Raharaha fifanolanan’ny Fokonolona eny amin’ity toerana ity amin’ny Sinoa sy Karana mpanambola no fototry ny olana ka nahatonga ny fanidiana trano miisa 168 tafo nataona vaditany, izay tonga matanjaka niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana, tapa-bolana lasa izay. Tsy misy afa-tsy akanjo teny an-kodiny, araka izany, no nivezivezen’ireto mponina ireto nitadiavana fialofana. Tsy maintsy vohaintsika amin’izao ireto tranon’ny mponina ireto, hoy i Alain Ramaroson, satria efa samy tsy misy manara-dalàna izany eto. Tsy maintsy mandray andraikitra isika fa tsy ampijalina ao anatin’izao fanaovana kobaka am-bava izao ny vahoaka, hoy izy.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT