Actualités

Ikalamavony Lasa taxi-brousse hatramin’ny “Unimog” miaramila


  • Alatsinainy 12 Septambra 2011

Tany lavitr’andriana sa gaboraraka ? Izay no fanontaniana mipetraka eo raha mahita ny zava-mitranga amin’iny Ikalamavony, Faritra Matsiatra Ambony iny.

 Misy toeram-pitrandrahana vato “tourmaline” any amin’ny toerana atao hoe Bevahondrano, ary dia ifanotofan’ny olona ny mankao. Na olon-tsotra, na mpiasam-panjakana, eny fa hatramin’ny manamboninahitra ambony aza samy mitrandraka ao avokoa. Asa na manararaotra ny hamaroan’ny olona mivezivezy any sy ny fivezivezen’ny vola, fa dia roboka mitatitra olona toy ny taksiborosy hatramin’ireny fiara Unimog fananan’ny miaramila ireny. 12.000 ariary isan’olona rahateo ny saran-dalana mampitohy an’i Ikalamavony mankao Fianarantsoa, ka mety alaim-panahy raha tsy hoe efa tsy te ho tan-dalàna. Fa ny loza ao amin’ity toerana ao Bevahondrano ity dia ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Eny am-pelatanan’ny sivily ny basy. Araka ny fantatra anefa dia mpanao politika fanta-daza no maniraka azy ireo, ary mazava loatra fa mifehy io toerana io amin’ny lafiny rehetra ary toa tazanim-potsiny.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT