Mahatalanjona ny fahasahian’ity mpanofana eo anivon’ny trano fandraisam-bahiny ity. Vitany ny nisandoka ho kolonely eo anivon’ny Bianco.
Ny talata 06 septambra 2011 tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina dia nisy lehilahy iray nitonona anarana ho Kolonely Hery tonga tao amin’ny komandin’ny vondrontobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena Ihorombe ary rehefa nalefa tao amin’ny vondrontobim-paritra dia nitonona indray ho kapiteny Hery. Nilaza io lehilahy io fa iraka manokana avy amin’ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly (Bianco) Antananarivo ka miaraka amin’ny zandary efatra avy ao amin’ny GSIS sy polisy dimy avy ao amin’ny FIP, mba handeha hisambotra ny tonia mpampanoa lalàna (Procureur de la République) ao amin’ny Tribonaly ambaratonga voalohany ao Ihosy. Rehefa nanontaniana ny antontan-taratasy hoentiny manatanteraka izany dia tsy afaka nanome izany izy. Nampiahiahy avy hatrany ny kolonely Reribake Jeannot, komandin’ny vondrontobim-pileovana sy ny komandà Ranaivoarison Théodule komandin’ny vondrontobim-paritra ny fihetsik’ity lehilahy ity ka nahatonga azy ireo namotopototra taty amin’ny foiben’ny Bianco Antananarivo izay namaly ny tsy fisian’io olona mitonona ho mpiasa io sy ny iraka nampanaovina azy.
Nandray fepetra avy hatrany ireo tompon’andraikitra voalaza etsy ambony ka nisambotra ilay tovolahy. Rehefa natao ny fanamarinana dia fantatra fa Heriniaina Jerry Shanmane no anarany ary 31 taona izy, mpanofana amin'ny trano fandraisam-bahiny no asany, mipetraka any Tolagnaro, ary efa tena mpisoloky raindahiny mihitsy izy io. Efa eo am-pelatanan’ny Groupe d’Appui à la Police Judiciaire (GAPJ) ao amin’ny Groupement Ihorombe ny fanadihadiana ity raharaha ity amin’izao fotoana izao. Kapiteny, kolonely, Bianco, ireo hatrany izany no anarana naverimberin’ity mpisandoka ity. Raha tsy mailo ny zandary dia asa izay nitranga.
Samy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.