Nodimandry omaly 20 aprily teo amin’ny faha-68 taonany ny Filohan’I Tchad Idriss Deby Itno,
izay nitondra ity firenena ity nandritra ny 30 taona. Ny 04 desambra 1990 izy no tonga teo amin’ny Fitondrana rehefa notohanan’ny Frantsay hanaisotra an’i Hissène Habré. Nitari-tafika nifanandrina tamin’ny mpikomy FACT (Front de l’Alternance et de la Concorde) izay efa nitaky ny tsy tokony hirotsahany intsony tany amin’ny ilany avaratr’i Tchad i Idriss Deby amin’ny maha miaramila manana ny galona Maréchal sy amin’ny maha Filoha Faratampon’ny foloalindahy azy ny faran’ny herinandro teo, ka voatifitra teo amin’ny lohany, nitondra azy any amin’ny fahafatesana. Vao afak’omaly no nambara ny voka-pifidianana vonjimaika natao ny 11 aprily tany Tchad, ka nahalany azy faninenina ho Filoha tamin’ny isam-bato 79,32%. Filankevitra ara-miaramila tarihin’ny zanany Ahamat Kaka izay notendrena ho Filoham-panjakana vonjimaika no mitantana ny firenena vonjimaika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.