Actualités

Iavoloha Taksibe norarafan’ny GP tifitra variraraka


  • Talata 02 Aogositra 2011

Nirefodrefotra ny basy tetsy Iavoloha omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 teo ho eo.

 Taksibe iray ao amin’ny zotra F no norarafan’ny mpiambina ny lapam-panjakana (Garde Présidentielle na GP) iray tifitra variraraka teo amin’ny kodiarana havia anoloana ka nahavaky io kodiarana io sy nanimba koa ny motera. Bala efatra no niantefa tamin’ny kodiarana fa mbola nisy diam-bala roa hafa koa teo amin’ny arabe. 100 metatra mialoha ny sampanandalana mihazo ny lapam-panjakana Iavoloha avy aty avaratra nifanitsy indrindra amin’ny toeram-piantsonan’ny taksibe 172 sy 187 ary ny 137 no nitrangan’ity fitifirana ity.

Resaka tsy nifankahazo no nitarika izany, araka ny fanazavan’ny mpandeha tao anatin’ilay fiara mpitatitra. Nampiato ny fifamoivoizana amin’iny faritra iny ireo mpiambina ny lapa rehefa voalaza fa handalo ny fiara mitondra ny filohan’ny FAT. Mbola namela ireo fiara handeha anefa ny lehibe tamin’io fotoana io rehefa nahatsikaritra fa mbola lavidavitra ny fiara mitondra an’i Andry Rajoelina. Samy nanararotra io avokoa ny fiara rehetra ary nanaraka izay koa ny mpamilin’ilay taksibe. Nanome lamosina ny lapa anefa ilay mpiambina ka tsy mahafantatra ny zava-misy tao aoriany ka tezitra mafy raha nahita ity fiara mbola nandeha hatrany toa tsy manaraka ny baikony.

Niezaka nampijanona ilay fiara fitaterana ny tenany saingy tsy nanaiky ilay mpamily ka nisy ny fifamaliana tamin’ny roa tonta izay niafara tamin’io fitifirana io. Vao tafiditra ny lapa ny fiara nitondra ny filohan’ny FAT dia misy miaramila tokony ho 30 eo ho eo nivoaka tao ka nidaroka ilay mpamily. Maro tamin’ny mponina tamin’io fotoana io no efa tafavory nifampanontany ny zava-nitranga noho ny faharenesana ny fipoahana ka nanatri-maso ny fikasihan-tanana ilay mpamily. Nentin’ireo miaramila niditra nankany anatin’ny lapa moa ity farany. Ny lehiben’ireo GP rehefa nanontaniana dia nilaza fa ny fandavana ny baiko omen’ny mpitandron’ny filaminana no nahatonga ny loza. Na izany aza, nisokatra ny famotorana mikasika ity raharaha ity ka ny zandary eny Andoharanofotsy no miandraikitra izany.

 

Yves sy Mohamed

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT