a izao dia tandindomin-doza indray ny firenena atsy ho atsy, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Humaniste Ecologiste tetsy amin’ny Restaurant Tsiky omaly.
Raha mitohy izao lalan’ny firenen Hita ho miverina ny taloha fa tsy andraisan’ny mpitondra lesona, hoy izy ireo. Manaitra ny olompirenena, ny mpitondra, ny mpisehatra politika, noho izany, izy ireo mba tsy hiverenana any amin’izany krizy tsy mety tapitra izany. Vao tsy ela izay ny banky iraisampirenena no niteny fa misy mahantra vaovao miisa 4 tapitrisa eto. Resaka fitantanana tsy mahomby no isan’ny mahatonga izany satria tsy mahalala ny tena filam-bahoaka ny mpitondra. Fitantanana mivangongo na “administration centralisé” no misy eto. Tsy mamaha ny olana any ifotony. Ohatra amin’izany ny resaka vy ao Soalala. Namarotra izany isika tamin’ny tetezamita dia nahazo ilay alalana hizaha ifotony azy io ny orinasa sinoa Wisko. 100 tapitrisa dolara no voalaza ofisialy fa namarotana azy. Raha mba ilay fotokevitra ijoroan’ny HE Mada hatramin’izay mikasika ny fahaleovantenan’ireo faritra izao no nampiharina dia mba misy depiote voafidy ao mahalala ny laharam-pahamehan’ilay faritra dia mba ny 70%n’ilay vola io, ohatra, mandeha ao amin’ny faritr’i Mahajanga. 30 tapitrisa dolara mankaty amin’ny fanjakana foibe. Raha mbola tsy miainga any ifotony ny fampandrosoana an’i Madagasikara dia tsy ho tafavoaka isika na ho 50 taona eto aza, hoy hatrany ny HE Mada, izay nanamafy fa hanana kandida amin’ireo fifidianana ifotony rehetra ho avy eo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.