Actualités

Hotely anaty rano etsy Andranotapahana Efa ho 4 taona izao tsy nahitana taratasy fahazoan-dalana


  • Talata 01 Martsa 2022

Ahitana trano iray miorina anaty rano ao anatin’ny farihin’Andranotapahana efa ho 4 taona izao. An-kavanan-dalana izy io raha hiakatra ho any Ambohidratrimo.

 Raha araka ny fanazavan-dRandrianandrasana Augustin, filohan’ny mpanarato eny an-toerana dia misoratra amina tera-tany Malagasy io tany misy ilay trano ambony rano io nefa tera-tany Sinoa no mitantana ilay toerana izay nanjary lasa hotely. Vaovao hany fantatray io hoy izy fa ny tena mampalahelo hatramin’izao dia ny tsy fananan’io hotely io taratasy fahazoan-dalana rehefa nangatahan’ny fikambanan’ny mpanarato izany izy. Rehefa misy fananganana foto-drafitrasa tahaka izao anefa eny Andranotapahana hoy izy na misy asa hafa tokony hatao dia tokony haka ny hevitry fikambanan’ny mpanarato hatrany ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany fa tsy handidy sy hanapaka tahaka izany fotsiny. Tsiahivina moa fa tamin’ny taona 1991 no nanomboka niasa teo amin’ny farihin’Andranotapahana ireo mpanarato eny an-toerana izay misy fianakaviana manodidina ny 600 isa raha tamin’ny taona 2000 kosa no niorina ara-panjakana ny fikambanana.
Pati
Legende : Randrianandrasana Augustin, filohan’ny mpanarato eny Andranotapahana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT