Actualités

Hosoka Lasibatra sahady ilay «chčque carburant» vaovao


  • Alarobia 28 Martsa 2012

Na dia nisondro-bidy hatrany amin’ny 200 Ariary aza ny vidin-tsolika dia mbola milaza ho tsy afa-po hatrany ireo mpaninjara.

 Araka ny nambaran-dRakotozafy Martin, filohan’ny fikambanan’ny mpitantana toby mpaninjara (GPLSS) dia 30 Ariary isaky ny litatra ny tombony azon’izy ireo vokatr’iny fampiakarana ny vidin-tsolika iny kanefa raha tsy mahatratra 50 Ariary na 52 Ariary izany tombombarotra izany vao afa-po ry zareo. Maro ireo fandaharanasa voatery najanona noho izany. “Tsy zakanay ny fanondrotan-karama ka voatery tsy maintsy nifampiraharaha ny mpiasa mba hitazonana izany amin’ny mahazatra ka tsy hisian’ny fandroahana”, hoy Rakotozafy Martin. Momba ny CCAL na ny “Chèque carburant et lubrifiant” na sekin-tsolika vaovao dia efa misy sahady ny hosoka amin’izy ireny ka toby mpaninjara solika eto an-drenivohitra sy any Antsiranana no efa tratra. Mailo ireto farany noho izany ka misy ireo tsy mandray ity taratasin-tsolika ity intsony amin’izao indrindra ny any amin’ny faritra. Nomarihan’ny filohan’ny GPLSS anefa fa nisy ny fanomezan-toky nataon’ny Tale jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana azy ireo fa tsy laitran’ny hosoka ireo CCAL vaovao. “Tsy maintsy alamina io resaka io rehefa tafaverina amin’ny iraka tanterahan’ny talen’ny tahirimbolam-panjakana satria maty antoka izahay mpandraharaha iharan’ny hosoka. Ireo teo aloha aza mantsy tsy voalamina hatramin’izao”.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT