Horonantsary mamoafady

> Nifandrotehana tamin'ny Fetin'ny mpifankatia


  • Talata 18 Febroary 2014

Miparitaka sy mihamahazo vahana indray ny fivarotana horonantsarimihetsika mamoafady tato ho ato.

Hatramin'ny Fetin'ny mpifankatia no ho nankaty no tena nampahazo vahana izany, ary ny lehilahy no tena manontany sy mividy, araka ny fanadihadiana natao. Ho an’ny mpivarotra iray etsy Analakely dia nahalafo horonantsarimihetsika mamoafady miisa 30 izy tamin'ny andron’ny 14 febroary ary 1500 Ar isanisany no namarotany azy. 1000 Ar anefa dia efa mahazo izany rehefa tsy misy ny tsena, raha araka ny nambarany ihany. Tamana tamin'iny ireo mpivarotra ka lasa mivarotra ity karazana horonantsary ity avokoa. Eo an-danin'izay anefa dia piraty avokoa ireo amidin'izy ireo. Nilaza ilay mpivarotra nanontaniana fa noho ny tahony hivarotra ny sangan'asan'ny mpanankato malagasy no antony nivadihany amin'ity zava-mamoafady ity. Tsy mitsahatra ny manao fisafoana mantsy ny BAP na ny Brigade Anti-Piratage mandraoka ny CD piraty ary misambotra avy hatrany. Marihina fa anisan'ny maro an'isa tamin'ireo kapila mangirana noraofin'ny BAP teny Analakely ireo CD mamoafady.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT