Nalefa voalohany tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy omaly takariva ilay horonan-tsary tahirin-kevitra amin’ny teny malagasy mitondra ny lohateny hoe : «Baoejy dihin’i Baohejy» nosoratan’i Andrianasy Jean René sy narindran’Atoa Rakotoarisoa Jean Noël ary novokarin’ny fikambanana Tiasary avy amin’ny famatsiam-bolan’ny FSP tetikasa Art MAda. Santatry ny tetikasa niainga avy amin’ny fanofanana tanora 6 mianadahy nivoaka tamin’ny «Festival Boeny» nokarakarain’ny Tiasary izy ity fa mbola ho avy ireo 5 hafa. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fampisehoana omaly ny minisitra Elia Ravelomanantsoa notronin’ny mpikambana Art MAda.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.