Vita ny fanodinana ny horonan-tsary manokana teto Madagasikara nataon-dry
Jeremy Clarkson sy Richard Hammond ary James_May amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fiara raitra sy hafakely, izay efa fahita sy fampiasan’izy ireo any anaty horonan-tsarimihetsika. Nisy ampahany naodina teto Madagasikara, tany Toamasina ary nentina teto mihitsy ireo fiara raitra sy hafakely, ka handeha amin’ny fandaharana be mpanaraka maneran-tany ny "The Grand Tour", atolotr’izy telo lahy ireo ny 18 desambra izao. Ny i Amazon, orinasan’ilay mpanefoefo indrindra maneran-tany, dia ilay Amerikanina Jeff Bezos no mpanohana ny “The Grand Tour”. Isan’ny nosafidiana manokana i Madagasikara tamin’ity indray mitoraka ity, ka dia andrasana izany ny fivoahan’ny “The Grand Tour” ao ain’ny “Prime Video” an’ny Amazon, izay ahitana an’I Madagasikara ao anatiny. Efa mivoaka ny ampahany fampahafantarana fohy ity horonan-tsary ity, ao amin’ny tranonkala https://www.facebook.com/watch/?v=402266167575703. Mety ho isan’ny hanampy betsaka ny olona hamantatra sy ho liana amin’i Madagasikara ny tahaka izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.