Raha tonga nametraka tamin’ny fomba ofisialy ny vatofototry ny toeram-pitsaboana sy fiahiana ireo mararin’ny “drépanocytose’’ tao Manakara ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Rajaonarison Pascal Jacques, ny herinandro teo dia nohararaotin’ny mpanao gazety nanontaniana mikasika ny fananganana ilay hopitaly manara-penitra isaky ny renivohi-paritra eto Madagasikara, indrindra ny an’i Manakara.
Nazava sy nahitsy ny valintenin’ny minisitra fa “misy malailay fonosana eto Manakara ka tsy ahafahana manorina ity hopitaly ity fa raha ny fanjakana dia efa vonona”. “Ilaina ny mpitondra aty an-toerana ny hamaha izany olana izany fa raha toa ka tsy mety moa dia hafindra any Mananjary na Farafangana ny fametrahana ity fotodrafitr’asa ara-pahasalamana ity”, hoy ihany izy.
Tanim-panjakana ilay toerana kasaina hanorenana io hopitaly manara-penitra ao Manaraka io saingy misy fianakaviana maro mipetraka efa an-taonany maro ka raha nisy fanendahana azy ireo amin’ny tany izay nonenany ela dia nisy ny hetsika fanoherana nataon’izy ireo ka izay no nahatonga ny fihemorana tamin’ireo mpitondra ao an-toerana. Mihantona eo aloha ity resaka ity. Mandeha ny resaka fa matahotra vahoaka ao anatin’io Fokontany io ny mpitondra ao Manakara sao dia manao fitokonana ka hitarika fisavorovoroana ao an-tanàna, ny fifidianana anefa ho avy ka sao dia tsarain’ny vahoaka eo.
Hyace R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.