Raikitra indray ny fanakaramana mpanakorontana sy besandry. Tao amin’ny hopitaly HJRA izay toerana fitokonan’ny Paramed sy ny dokotera no nisehoan’izany omaly alatsinainy 09 jolay.
Andian’olona tokony ho 15 teo ho eo, izay zaza amam-behivavy ny ankamaroany, no niditra tao amin’ity hopitaly ity omaly tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Nilanja sorabaventy misy soratra hoe: “TSABOY NY MARARINAY” izy ireo no sady nitabataba tamin’ireo sendikalista mpitolona. Nisy koa ny fandranitana nataon’ireto andian’olona ireto ireo mpiasan’ny fahasalamana izay efa vory lanona teo an-toerana tamin’io fotoana io satria nongotan’izy ireo ny sorabaventy maneho ny fitakian’ny mpitsabo sy Paramed anankiray. Tsy namaly ny fihantsiana anefa ireto farany fa nisintona niditra tany amin’ny trano fivoriana ao amin’ny HJRA hisorohana ny fanasoketana samihafa sy ny fikasana fanakorontanana “Efa fantatray ny fisian’ny besandry niafina tao ambadiky ny tamboho izay efa nivonona higidragidra raha sanatria nanao fihetsika tsy voahevitra teo izahay.
Miditra moramora mantsy ny EMMO-Reg raha toa ka tanteraka izay fanirian-dratsin’ny fanjakana izay”, hoy Rakotondrazafy Aimé, filohan’ny sendika SISFM. Araka izany dia nambarany fa efa nomanina mihitsy ny zava-misy omaly ary tale iray eo anivon’ny Ministera no atidoha. Nidina nandamina ny paika rehetra mihitsy ity farany raha ny voalaza. “Vao maraina no efa nivorivory teo anoloan’ny vavahady ireo andian’olona ireo ka rehefa nivoaka ny fiara 4x4 miloko maitso mpanome baiko izay vao niditra tao amin’ny HJRA izy ireo”, hoy Rakotonandrasana Valérien. Azo sary moa ireo mpanome baiko izay miisa telo. Mbola hitan’ny mpitsikilon’ny Paramed sy ny dokotera koa ny fizarana vola 5.000 Ariary isan’olona teo akaikin’ilay fiara 4x4 nijanona teo anoloan’ny vavahadin’ny HJRA akaikin’ny mpivarotra lambamena. Ireto olona nahiana ho mpanome baiko ireto no nitondra io fiara io raha ny fanazavana ihany.
Vao mainka nanamafy ny ahiahin’ny mpanao fitokonana ny maha hetsika efa nomanina ilay niseho omaly koa ny fahitana ny mpaka sarin’ny fahitalavitra tsy miankina iray akaiky ny fitondrana, efa tonga teny an-toerana mialoha ny zavatra hitranga. Misy mihitsy aza Paramed sasany milaza fa niditra tao anatin’ny fiara Mercedes fotsy an’ity fahitalavitra iray ity ny ramatoa iray mpanome baiko ireo andian’olona ireo taorian’ny iraka nampanaovina azy. Milaza ny tsy hihemotra anefa ny mpitsabo sy ny Paramed fa manohy hatrany ny fitokonana. Tsy nanda ny mety hiarahan’izy ireo mientana amin’ny hetsika faobe iraisana amin’ny mpiasam-panjakana rahampitso 11 jolay rahateo izy ireo raha nanontaniana. “Miandry izay valin’ny filankevitry ny minisitra ny talata (anio) izahay ka miankina amin’izay no tohiny”, araka ny fanambaran’ny dokotera Ndatason Frédéric, mpitarika ny sendika SMédFM.
Fandrahonana ho faty
Efa tena lasa lavitra mihitsy ity raharaha mampifanolana ny fanjakana amin’ny mpiasan’ny fahasalamana ity. Ny zoma lasa teo mantsy dia nandrahona hanao “réquisition” ireo mpiasa mitokona ny minisitry ny fahasalamana ary nanome fe-potoana 24 ora mialoha ny hampiharana izany. Tsy mbola nihatra aloha izay raha ny omaly alatsinainy. Fa ankoatra izay dia misy koa ny fandrahonana ho faty nataon’olon-tsy fantatra tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tamin’ny filoha sy ny filoha lefitry ny sendikan’ny SISFM sy ny SMédFM nasionaly omaly maraina nialoha ny hetsika nataon’ireo andian’olona ireo. Ny findain’ilay Sekretera miasa eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fiaraha-miasa ao amin’ity departemanta no nampiasain’io lehilahy nanao io fandrahonana io. Nifanarahan’ny mpiasan’ny fahasalamana mitambatra izay niara-nivory omaly fa hametraka fitoriana izy ireo noho izany. “Tsy plainte contre X akory io satria fantatray ny tompon’ilay laharana”.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.