Hanatanteraka fety etsy amin’ny Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary anio tolakandro ireo mpiasan’ny fahasalamana.
Araka ny dokambarotra hita amin’ireo takelaka miparitaka ao amin’ny hopitaly HJRA sy ireo sampandraharaha hafa eto an-drenivohitra dia hanamboarana kianja filalaovana baskety, volley ary hand-ball eo anivon’ity hopitaly ity ny vola voaangona amin’ity hetsika antsoina hoe : «Santatra» ity. Ny fanazavan’ireo mpiasa kosa no nahalalana fa ny mpitantana eo anivon’ny hopitaly HJRA no mpikarakara. Misy amin’ireo mpiasa anefa no mitaraina fa terena hividy tapakila mitentina 10.000 ariary izy ireo. Tsy maintsy mandray anjara avokoa ny sampana rehetra miankina amin’ny ministeran’ny fahasalamana sy ireo sampandraharaha isan-tokony araka ny fitarainana hatrany.
Raha ny ao amin’ny HJRA, ohatra, dia tapakila efatra eo avy no anjaran’ny sampandraharaha tsirairay avy. Mahatratra hatrany amin’ny 30 mahery ny isan’ny sampandraharaha ao an-toerana. 50 kosa ny isan’ny tapakila ho an’ny Institut d’Hygiène Social etsy Analakely. «Ilay atao an-tery mihitsy no tsy mety aminay, indrindra moa fa tsy ambara akory ny anaran’ireo tarika sy mpanakanto malaza ampanantenaina fa hanafana ilay fety», hoy ireo mpiasa izay nisafidy tsy nitonona anarana noho ny tahotra. Misy koa anefa ireo mpiasa sasany izay manahy amin’ny fisian’ny fitadiavam-bola ankolaka amin’ny alalan’ity hetsika ity. Araka ny nambaran’izy ireo indray mantsy dia efa manana tetibola atokana amin’ny fanamboarana io kianja filalaovana basket, volley ary hand io ny ministeran’ny fahasalamana ao amin’ny Service d’Investigation et de logistique. Tsy sahy mitory manoloana izay ahiahiny izay anefa izy ireo noho ny tahotra ihany koa fa miantso ny Bianco hanao fanadihadiana ifotony momba ity fitadiavam-bola ity.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.