Actualités

Hopitaly HJRA Arahi-maso akaiky ny dokotera izay mivorivory


  • Zoma 09 Septambra 2011


 Taorian’ny fihaonamben’ny sendikan’ny dokotera miasa amin’ny fanjakana teny amin’ny Espace Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary, andro vitsy lasa izay, dia niova tanteraka ny rivotra mitsoka eny amin’ny hopitalim-panjakana, raha tsy hilaza afa tsy ny eny amin’ny HJRA Ampefiloha. Taorian’io mantsy araka ny fitarainan’ireo dokotera dia misy olona mihitsy tonga manara-maso azy ireo. Jerena izay olona miditra ao amin’ny biraon’ny dokotera, indrindra fa ireo dokotera izay mpikambana ao amin’ny biraon’ny sendika. “Manoatra noho ny tamin’ny andron’ny kaominista”, hoy izy ireo. Olona avy any amin’ny ministeran’ny Fahasalamana ireto alefa mitsikilo ireto. Somary mampihomehy ihany ny zava-misy, hoy ireo dokotera satria olona mifankafantatra aminay ihany ireo alefa mitsikilo ireo. Na izany aza tsy hampiova ny foto-kevitra ijoroan’ireo dokotera izao fampihorohoroana izao. Tsy izy ireo ihany mantsy no iharan’izany fa na ireo mpitsabo mpanampy ihany koa aza.

 

Mohamed

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT