Actualités

Hopitaly be PZaGa Androva-Mahajanga kitapon-dra 130 isam-bolana ny filany


  • Alakamisy 16 Jona 2016

“Na dia nitombo, tafanika hatrany amin’ny 130 kitapo isam-bolana aza ny filana ra ao amin’ny CHU PZaGa Androva dia azo lazaina fa ampy ny tahirin-dra ao” amin’io tobim-pahasalamana io.

Izay no nambaran’ny tompon’andraikitry ny Banky Fitahirizan-dra ao amin’ny CHU PZaGa Androva, ny Dr Mamy Razafimahefa nandritra ny fanamarihana ny andro manerantany ho an’ny Fanomezana ra ny 14 jona teo, nandritra ny hetsika nokarakarain’izy ireo tao Mahajanga. Tamin’ny alalan’ny diabe mamakivaky ny tanàna notarihin’ny Foibem-paritry ny Fahasalamana ao Boeny no nentina nanamarihana izany andro izany. Tao amin’ny Lapan’ny tanàna avy eo no nanaovana fitiliana sy fanomezan-dra maimampoana ho an’ny daholobe, narahina fampirantiana sy fampianarana manodidina ny ra sy ny fahasalamana azo avy amin’ny fakana azy ara-potoana. Hatreto, hoy Dr Mamy Razafimahefa dia efa afaka manome fahafaham-po ireo marary mila ra ny mpitsabo ao amin’ny CHU PZaGa Androva. Midika izany fa miha mitombo ihany koa ireo tsara sitrapo mpanome ra, mizara aina. Mitsinjo tokoa ny lohahevitra nobanjinina tamin’ity taona ity: “Manomeza ra ho tahiry maharitra, avotr’aina rahampitso”.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT