Actualités

Hopitaliben’i Toliara Nilaozan’ny marary


  • Talata 19 Jona 2012

“Mbola mitohy ary hihamafy ny fitakianay“, hoy ny filohan’ny SMčdFM Atsimo-Andrefana, ny Dr Ramanantsoa Victor.

 Nanamafy kosa ny Dr Andrianomenjanahary Livanirina, mpitarika ny hetsika ao Toliara fa “tsy hijanona mihitsy ity tolona ity, raha tsy voaloa ny momba ny “rappel”-nay 10 volana, ny taona 2010“. Mangataka koa ireo dokotera mpiasam-panjakana ao an-toerana hamoahana faran’izay haingana amin’izay ny tambin-karama samihafa. Nomelohin’izy ireo koa ny fihantsiana samihafa ataon’ireo tompon’andraikitra sasantsasany ny dokotera. Raha ny zava-misy ao amin’ny hopitaliben’i Toliara dia babangoana avokoa ireo efitra natokana ho an’ny marary. Tsotra ny antony, hoy ireto mpitsabo marobe ireto, nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety io omaly io fa “matahotra ny olona mamonjy toeram-pitsaboana nandritra ny nisian’izay grevy izay“.

Nangonin’i Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT