Fitokonana roa no hita eo anivon’ny hopitaliben’i Toamasina nanomboka ny alarobia teo.
Andaniny ny fitokonan’ny Paramed ivondronan’ireo mpitsabo mpanampy sy ny mpampivelona mitaky ny tombontsoany amin’ny fanjakana, ankilany ny fitakian’ireo mpiasa samy hafa ny zony eo anivon’ny mpitantanana ny hopitalibe izay tsy voaloa ny volana aprily teo. Raha ny fitokonan’ny Paramed, dia tsy mbola misy aloha ny fihemorana hatreto fa ny fanamafisana izany no tanjon’izy rehetra. Tsy miasa avokoa noho izany ny Paramed mamelona ny toeram-pitsaboana ara-panjakana ao Toamasina, ahitana ny CSB II Ankirihiry, Ambohijafy, Dépôt Analakininina, Hopitalikely ary Hopitalibe. Misy hatrany kosa anefa ny fiandrasan-draharaha ny alina manomboka amin’ny 06ora hariva hatramin’ny 06ora maraina. Mandritra ny andro kosa dia ireo fitsaboana tena maika sy ireo mpiteraka tena mila vonjy ihany no sahanin’izy ireo.
Ankoatra izay, dia manampy ny fitokonan’izy ireo koa ny mpiasa eo anivon’ny hopitaliben’i Toamasina.Ny azy ireo kosa dia ny tsy fahazoana ny vola izay zony antsoina hoe “quote-part” na “interessement” no mampitokona sy takian’izy ireo. Ity vola ity dia isan-jaton’ny vola miditra amin’ny hopitaly amin’ny alalan’ny vola aloan’ny marary sy ireo fidiram-bola amin’ny fampanofana trano ary ny tombony amin’ny vidim-panafody amidy, no hakana azy ka 40% amin’izany no hifampizaran’ny mpiasa, ny 60% kosa hanampiana ny fampihodinana ny hopitaly. Raha ny tokony ho izy sy efa natao hatramin’izay, dia isaky ny telo volana ny fanomezana ny mpiasa izany. Raha ny tamin’ity taona ity izany dia tokony ny 15 aprily teo ny fandoavana izany nefa hatramin’izao tsy mbola azon’ny mpiasa ny telo volana voalohan’ny “interessement”-ny.
Nambaran’ny “géstionnaire”-n’ny hopitalibe Toamasina, fa ny fanovana ny fomba fitantanana ny hopitalibe no nahatonga ny fahatarana, satria nametrahana komity mpitantana sy mpanamarina ny fampiasam-bola avy amin’ny ministera koa izy ireo nanomboka tamin’ity taona ity. Io fanovana io no olana ka nahatonga izao fahatarana izao. Nanome toky nefa ity mpitantana ny volan’ny hopitaly ity fa rahampitso zoma dia efa hahazo ny anjara volany ny mpiasa rehetra. Miisa 237 ny mpiasa eo anivon’ity hopitalibe Toamasina ity, manodidina ny 20.000.000 Ariary isam-bolana kosa ny fidiram-bolany amin’ireo fandoavam-bola ataon’ny olona sy ny marary ary fampanofana efi-trano. Na izany aza dia mitaraina ny mpiasa ao fa misy amin’ireo fampidiram-bola hitan’izy ireo eo anivon’ny hopitaly be sasany no tsy miditra ao amin’ny fidiram-bolan’ny hopitaly, ka mampihena ny vola zaraina amin’ny ‘interessement’.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.