Actualités

Hong Kong Miantso vonjy ireo Malagasy nalefa hiasa any


  • Alatsinainy 18 Jolay 2016

Velon-taraina ireo Malagasy alefan’ireo orinasa mpandefa mpiasa hiasa any ivelany, manoloana ny fanararaotana sy fanambakana miendrika fanandevozana mihatra amin’izy ireo. Ireo mpiasa vehivavy no tena lasibatra sy mahatsiaro mijaly.

Tranga iray anisan’ny misintona ny saina ny mahazo ireo nalefa any Hong Kong. Takian’ireo Sinoa mpibizina ny karama valo volana tsotra izao ireo Malagasy, alefan’ireo orinasa mpandefa mpiasa, hiasa any. Tsy mba iray na roa fa saika ny ankamaroan’ireo tovovavy tonga any dia iharan’io fanararaotana io avokoa. Izay midrinkina na mandà tsy hanome, dia iharan’ny fisolokiana indray ka enjehin’ireo Sinoa ho nindram-bola taminy ka giazan’izy ireo ny antontan-taratasy rehetra ary dia tonga eny amin’ny Fitsarana ny raharaha. Miantso vonjy ireto Malagasy mpiray tanindrazana mba nitady ny sitrany ahay ireo, kinanjo iharan’ny fanararaotana sy fanandevozana amin’ny endriny vaovao tsotra izao. Vola be no mihodina ao anatin’ity raharaha ity, ary tambajotra matanjaka. Miara-miketrika amina vehivavy gasy sy olom-panjakana ambony ireo Sinoa any Hong Kong ireo amin’izany.


Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT