HOMI Soavinandriana

> Marary mila vonjy aina indray no arirarira


  • Sabotsy 01 Martsa 2014

Nahatohina olona maro ny nandre ny zava-nanjo ity marary iray nakarina maika (Evacuation sanitaire) avy any Mahajanga mba hotsaboina teto an-drenivohitra, noho ny aretiny izay mila mpitsabo manokana nefa nojerem-potsiny.

Nomen’ny hopitalibe CHU Androva ao Mahajanga nitsaboany tena, «certificat médical» ilay marary fa halefa maika mamonjy ny Hopitaly Miaramila eny Soavinandriana hanohy ny fitsaboana ny aretiny fa misy tsy vita tany an-toerana. Noho ny hamehana dia niantohan’ny orinasa mpampiasa azy fiaramanidina ilay marary nampakarana azy taty Antananarivo, ary nanatona avy hatrany ity hopitalim-panjakana ity ny fiandohan’ny herinandro teo. Akory anefa ny hagagana fa na teo aza ny taratasin’ny CHU Androva dia tsy noheverina ho marary mila vonjy aina sy fitsaboana maika ilay marary nony tonga tao fa dia navezivezy miaka-midina amin’ny rihana telo indray nefa olona efa trotraky ny aretina. Tsy vitan’izany fa tsy mba nomena efitrano hakany aina akory fa nasaina miverina ny ampitso indray fa hoe misy “rendez-vous” talohany aza nasaina miverina amin’ny herinandro fa mbola sahirana any amin’ny efitra fandidiana any (hono) ny dokotera tokony handray azy. Ny fandraisana an-tanana ny marary mihitsy no mampametra-panontaniana amin’ny tranga toy itony. Sa atao mihitsy izay hahakivy ny marary amin’izay mitady lalana any ivelany dia tatazan’ny mpitsabo “akama” ? Sa rehefa tsy mahatolotolotra dia hadinodino tsy misy mpihevitra any. Ny tsy nampoizina anefa dia mpanao gazety anie ity marary mila fitsaboana maika ity e ! Eo dia eo ny aretiny fa dia nahafahany namantatra zavatra maro, indrindra ny fomba fiasa ao amin’ity hopitaly ity ny zava-nanjo azy.

Nangonin’i JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT