Actualités

Holafitry ny mpisolovava “Anjorom-bala ny zon’ny fiarovana”


  • Alakamisy 03 Martsa 2011

Mahatsiaro ny Holafitry ny mpisolovava, tarihin’ny filohany Me Solo Radson, fa atao anjorom-bala ny zon’ny fiarovana.

Nibaribary izany tato anatin’ny raharaha mikasika ny “Radion’ny Gasy”. Ny “Direction de la sécurité du territoire” na DST, miankina mivantana amin’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, no mandray an-tanana ny famotorana ny raharaha, izay mbola tao anatin’ny famotorana tanteraka, efa maro ny resaka nivoaka an-gazety manodidina izany ary nisy fanononana anaran’olona sy ny mombamomba azy mihitsy. Nisy mpisolovava iray mpikambana eo anivon’ny Holafitry ny mpisolovava miaro olona voakasik’io raharaha Radion’ny Gasy io lasibatra tamin’izany.

Nanamarika ny filohan’ny holafitra fa nosamborina teo am-panaovana ny asany, nanatrika olona arovany, io mpisolovava io, nefa sady tsy nahalala no tsy nampafantarina ny momba izany akory ny holafitra nefa voadidin’ny lalàna ny hanaovana izany. Nahitsy ny tenin’ny filohan’ny holafitra, Me Radson Solo fa “tsy fanajana ny hasin’ny mpisolovava” izany. “Tsy voahaja ihany koa ny tsiambaratelon’ny famotorana. Notsiahiviny indray fa “tsy tokony hivoaka an-gazety ny anarana sy mombamomba azy mandra-pivoaka ny didim-pitsarana”, ho fiarovana ny zon’ny voampanga. Nanao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana moa ny tenany mba hanova io fomba fiasa io.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT