Holafitry ny Injeniera eto Madagasikara

> Nandinika ny fanatsarana ny toekarem-pirenena aorian’ny fifidianana


  • Sabotsy 21 Septambra 2013

Nihaona tetsy Antaninarenina omaly maraina ireo mpikambana ao anatin’ny Holafitry ny Injeniera eto Madagasikara na ny OIM. Fihaonana izay nambaran’izy ireo fa tsy maintsy natao satria hiditra amin’ny kihon-dalana lehibe i Madagasikara aorian’ny fifidianana ka tsy hisy ny andraikitra horaisin’izy ireo.

Lohalaharana amin’izany ny andraikitry ny injeniera manoloana ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena izay nomarihin’izy ireo fa efa mitotongana tanteraka tokoa ankehitriny ka tsy azo jerem-potsiny intsony. Niompana tamin-javatra dimy loha ny dinika nifanaovan’izy ireo tamin’izany ka anisan’ireny ny fanamorana ny fampindramam-bola ho an’ireo olon-tsotra na fikambanana manana tetikasa matotra entiny hanatsarany ny fari-piainany sy ny toekareny, ny famatsiam-bola omena ny sehatra tsy miankina, ny fampivoarana ny sehatry ny fambolena, ny indositria... Ankoatra ireo dia nanambara ihany koa ireo injeniera mivondrona ao amin’ny OIM fa fa mila olona mahay sy azo antoka ny firenena. Betsaka ireo zavatra tokony hohavaozina sy hasiam-panatsarana, indrindra fa ny fanajana ny lalàna sy ny fanafoanana ny risoriso amin’ny sehatra maro izay nomarihin’izy ireo fa tena mahazo vahana tokoa amin’izao fotoana.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT