Actualités

HJRA Maro ny fandidiana nofoanana


  • Talata 02 Aprily 2013

Tsy mbola mety voavaha foana ny tsy fahampiana rivotra mamelona na “oxygène” ao amin’ny hopitaly HJRA.

 Misy ireo marary izay tokony hodidiana no ajanona indray amin’ny fotoana farany. Tamin’ny herinandro mialoha ny fety no nanomboka niseho indray ity olana ity. Raha ny fanazavan’ny fianakavian’ny marary iray dia efa tao anatin’ny efitra fandidiana ny havany no navoaka indray satria tsy ampy, hono, tahirina “oxygène” ananan’ny hopitaly. Nisy marary 4 hafa koa nahemotra amin’ny fotoana tsy fantatra ny fandidiana azy araka io tatitra io ihany . “ Nifampiresaka izahay manana marary tokony handalo fandidiana ka misy mihitsy no milaza fa efa nampatoriana ny havany no navoaka indray”, hoy hatrany ilay loharanom-baovao. Niaiky ny tsy fahampian’ny “oxygène” ao amin’ny Hjra ny tompon’andraikitra iray nanontaniana izay nilaza koa fa ireo marary mila fandidiana maika mandritra ny fety aloha no natao laharam-pahamehana.

Yves  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT