Actualités

Hivoaka anio ny tombana momba ny Jirama Fifanilihana no betsaka, ny delestazy tsy resy


  • Zoma 25 Novambra 2022

Telo andro na efatra andro lasa no namaly hafatra farany ny Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny Jirama Atoa Rivo Radanielina, ary eto Antananarivo raha ny nambaran’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo omaly.

Noho ny tsy fahasalamana rehefa avy any Nosy be no antony tsy nahitana azy, tsy nahafahany niatrika ny tombana teo anivon’ny Jirama, raha ny fanazavan’ny minisitra. Nambara fa tokony hiverina hiasa omaly na anio ny Tale Jeneraly mpisolo toerana. Tapitra afak’omaly 23 novambra moa ny tombana natao tamin'iteo tomponandraikitra ambony eo anivon'ny orinasa, ary anio no hamoaka ny fehin-kevitra ny tompondraikitra telo amin'izany dia ny minisitra, ny eo anivon'ny fitalevana ankapobeny ary ny Filankevim-pitantanana, raha ny fanazavana. Ohatran’ny ratra na vay amin’izy ireo izany ka marary rehefa efa hesorina, koa tsy omena tsiny raha misy ny fitaintainana sy fitabatabana, hoy io Minisitra io. Nambarany kosa fa tsy mety raha lasa ampidirina politika ilay zavatra satria lasa mitondra fanakorontanana. Notsipihin’ity minisitra ity fa eo ambany fiahiahian’ny departemanta tantanany ny Jirama ka lojika ny fidirany an-tsehatra, saingy mbola tsy nanery amin’ny resaka loko politika izy. Tsara ny mampahatsiahy fa misy ny fitakian’ireo sendika sasany ny tsy tokony hitsabahan’ny minisitra amin’ny Jirama sy ny fialan’ity minisitra ity ary ny tsy fandraisana baiko avy aminy intsony. Nipoitra avy eo ny sendika hafa izay niaro ny Minisitra sy naneho fa mankasitraka ny ezaka ataony. Toa lasa nivadika ho fampisamahana ny mpiasan’ny Jirama. Na ny mamondrona sy mampiray feo ireo mpiasa mba hifantoka amin’ny ady sy fanamby goavana hatrehana dia ny fanafoanana ny delestazy aza izany toa tsy vita. Andrasana indray izay akon’ny tombana, fa ny tena andrasan’ny vahoaka dia ny fitsaharan’ny delestazy. Tsy maharo tena amin’ny vokatry ny asany intsony ve ny minisitra ka mampiteny olona hiaro azy amin’ny sezany? Izay ifanosehan’izy ireo ao, samy tompon’andraikitra feno amin’izao olana izao izy rehetra. Toa lasa fifanilihana anefa no betsaka. Efa nilaza ny minisitra fa ny 70% amin’ny olana dia tsy fahafehezan’ny teknisianina ny asany, ary ny 30% avy amin’ny hasomparana. Tsy misy andraikitry ny minisitra sy ny ekipany ve izany ny delestazy satria izy efa manao serasera sy mizara jiro cobra? Hivoaka ny valin’ny tombana dia hanao ahoana ny tohiny? Hivaha ve ny delestazy?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT