Anio alatsinainy 07 desambra amin’ny 09 ora ao amin’ny Efitrano faha-2 etsy
amin’ny Tribonaly Anosy no hivoaka ny didy mikasika an-dRtoa Clémence Raharinirina amin’ny raharaha nitorian’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Atoa Naina Andriantsitohaina azy. Resaka fanehoan-kevitra momba ny taxi no fototry ny fitoriana, ka fanalam-baraka sy fanelezana vaovao tsy marina no itorian'ny Ben'ny Tanàna azy. Io ilay fitoriana teny amin’ny sampan-draharaha mikasika ny heloka an’habaka na “cybercriminalité”. Raharaha efa tany amin’ny volana mey izy io, ary raha ny fanazavana efa nataon’i Clémence Raharinirina. Nambarany fa nisy ny fanirahana olona an-tsokosoko naka feo azy tany amin’ny fivoriana nifanaovan’ny taxi. Andrasana izany ny didy mikasika ity mpanolontsaina monisipaly lany tamin’ny anaran’ny IRK ity, saingy nifanenjana sy nifanao teny mahery hatrany tamin’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina. Efa nisy fotoana aza ity farany namoaka vava, fa raha misy mpanolontsaina vonona hiara-hiasa dia misokatra amin’ny fiaraha-miasa ny ben’ny tanàna, ary raha misy ny vonon-kiady dia tsy mitsoaka ady ny ben’ny tanàna, ankoatran’ny tany aloha hoe vava samy manana, gazety samy manana,…. Raikitra izany ny ady, saingy izany ve no mahamaika sy hampivaha ny olan’ny tanàna misasavovona ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.