Actualités

Hita ny marimaritra iraisana Hiverina hiasa ireo vaditany


  • Talata 22 Febroary 2022

Hiverina handray ny asany avokoa ireo vaditany rehetra manomboka anio talata 22 febroary ireo raha nisy ny fifampidihina niarahan’ny birao holafitra nasionaly sy ny minisiteran’ny fitsarana manoloana ny fitakian’ireo vaditany

 nandritry ny fampiatona ny asan’ireo tao anatin’ny andro maromaro. Anisan’ny nampitokona ireo vaditany manerana ny nosy ny tsy fanajana ny asan’izy ireo izany hoe misy ny tsy manaiky ny fampiharana ny didim-pitsarana izay efa nivoka. Takian’ireo vaditany koa ny fihatrehan’ireo ny mpitandro ny filaminana azy ireo eo ampanatanterahina ny didy. Nilaza mantsy ireo vaditany fa misy ny mpitandro ny filaminana no tsy manatrika ny fampiharana ny didy ka miteraka ny herisatra mahazo azy ireo eo ampananterahin ny asany. Nohon’izay indrindra no niray feo nampiatsahatra ny fandraisana ny didim-pitsarana ireo vaditany rehetra manerana ny faritra 23 eto Madagasikara mba hisian’ny fahalalana ny asan’izy ireo. Nisy arak’izany ny fampiantsoana nataon’ny minisiteran’ny fitsarana ny birao ny holafitry ny vaditany eto Madagasikara nitadiavam-bahoalana mikasika ny fitakiana nataon’izy ireo ity. Niravona arak’izany ny fitokonana nataon’ireo mpampihatra didy ireto taorian’ny fifampiresahina natao teo amin’ny roa tonta. Hisy mihitsy arak’izany ny fivoriambe ataon’ny vady tany sy ny minisitera ary ny mpitandro ny filaminana ahafahana mametraka ny lalana sy ny fepetra raisina manoloana ny fampiharana ny didim-pitsarana izay asa mivantana sahanin’ny vaditany. Nanao fanambarana miaraka ny minisiteran’ny fitsarana sy ny holafitry ny vaditany eto Madagasikara nilaza ny fiverenan’ny asan’izy ireo manomboka anio.

Tolin


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT