Mitohy ny oram-be, faritra maro mety ho tondraka “Azo antoka ny hisian’ny fiforonana rivodoza ny sabotsy maraina. Ny fizotrany kosa dia hahazo ny 1/3 Avaratry ny Nosy avokoa,
noho izany dia hitohy hatrany ny rotsakorana ho an’ireo faritra Avaratra ireo manomboka any Melaky, Betsiboka, Alaotra Mangoro ary Atsinanana no mianavaratra”, hoy ny fampahafantarana nataon’ny Sampan-draharaha mpamantatra ny mety ho toetry ny andro omaly 20 janoary 2022, araka ny sary hitan’izy ireo tamin’ny zana-bolana tamin’ny 10 ora sy sasany maraina teo. Namoaka fampitandremana mahakasika ny habetsahan’ny rotsak’orana izy ireo ora vitsy taorian’izay, araka ny antontam-baovao teo am-pelantanany omaly tamin’ny 2ora sy sasany tolakandro. Hahitana oram-baratra hatrany ny faritra Boeny, Sofia, Diana, Vatovavy, Atsinanana ary Analanjirofo hatramin’ny alahady 23 Janoary 2022, hoy ny fampahafantarana. Ahiana hihoatra ny 100mm/24ora ny habetsahan’ny rotsakorana amin’ireo toerana voalaza etsy ambony ka mety hiteraka tondra-drano, fiangonan’ny rano ary fihotsahan’ny tany. Nisy noho izany ny filazana fampitandremana amin’ny habetsahan’ny rotsakorana , ka filazana miloko mena ho an’i: Mitsinjo, Marovoay, Mahajanga voalohany sy faharoa, Ambatolampy, Andramasina, Anosibe An'ala, Marolambo, Antanambao, Manampotsy, Vatomandry, Mahanoro ary Nosy-Varika. Filazana miloko mavo: Soanierana Ivongo, Vavatenina, Brickaville, Fenerive Est, MananaraAvaratra, Maroantsetra, Sainte Marie, Toamasina voalohany sy faharoa, Moramanga, Port Berger, Antsohihy.Analalava, Ambanja, Nosy-Be, Ambilobe ary Antsiranana. Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Mahajanga sy Antsiranana ary manomboka eo Antsiranana hatrany Nosy-Varika mba tsy hiandrika sy tsy hisaodisaody eny an-dranomasina mba ho fisorohana ny loza mety hitranga. Entanina ihany koa isika mba hanaraka tsy tapaka ny toromarika omen'ny manampahefana eny ifotony, hoy ny toromarika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.