Actualités

Hirifirin'ny hatsiaka amin'izao Nitovy tamin'ny niainana tamin'ny taona 2013


  • Alakamisy 21 Jolay 2022

Tena tafiditra tanteraka ao anatin'ny aty ririnina isika eto Madagasikara ankehitriny. Ankoatra ny varatraza izay mandrafitra ny toetr'andro eto amintsika mantsy izay ahitana ranon'orana dia mandrivotra ihany

koa ny eto afovoan-tany. Raha araka ny fanazavan'ny tompon'andraikitra eo anivon'ny sampana mpamantatra ny toetr'andro etsy Ampandrianomby dia nitovy tamin'ny hatsiaka niainantsika tamin'ny taona 2013 izao hiainantsika ankehitriny izao. Anisan'ireny hoy hatrany ny sampana mpamantatra ny toetr'andro ny fisian'ilay lagilasy tany Ambohibary Faratsiho ny 06 jolay izay nitangorona nangom-potsy tokoa. Efa tafidina tany amin'ny 1 degre celcius mantsy ny hatsiaka tany an-toerana tamin'io daty voalaza io raha latsaky ny 4 degre celcius amin'izao ho an'ny faritra Vakinankaratra. Manodidina ny 7 degre celcius kosa izany eto an-drenivohitra raha 20°C ny ambony indrindra. Na izany aza dia fantatra fa hihafana kely ny toetr'andro eto an-drenivohitra hatramin'ny faran'ny herinandro.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT