Actualités

Hiditra an-tanety amin’ny sabotsy Tena mahery vaika ny rivodoza Batsirai


  • Alarobia 02 Febroary 2022

Tany amin’ny 1 157 km atsinanan’i Sainte Marie no nisy ny foiben’ilay rivodoza Batsirai omaly tamin’ny 03 ora tolak’andro. Niakatra ho 150 km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 210 km/h. Mikisaka miakandrefana somary atsimo-andrefana izy ka mahafaka 18 km/ora.


Tsy miova ny vinavina fa manambana ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy ity rivodoza ity ka ahiana hiditra an-tanety eo anelanelan’ny Vatomandry sy Mananjary ny alin’ny sabotsy 05 febroary 2022. Tombanana ho rivodoza mahery vaika izy amin’izay fotoana izay, raha ny fampitam-baovao voaray izay midika fa hatevina ny rotsak’orana ary ho mafy ny fitsoaky ny rivotra. Tsy misy fiovana ny filazana fanairana miloko maintso mikasika ny rivodoza voarain’ireo distrika sy faritra voakasik’izany : Antalaha, Analanjirofo, Toamasina I- II, Vohibinany (brickaville), Vatomandry, Mahanoro, Antanambao Manampotsy, Nosy Varika, Mananjary, Manakara, Vohipeno, Farafangana, Vangaindrano ary Taolagnaro. Entanina manokana araka izany ny mponina voakasikin’ny fanairana mba hanaraka akaiky ny fivoaran’ity rivodoza ity. Ets ankilan’izay dia nahazo vahana ny varatraza nanomboka omaly ka entanina ny mpampiasa ranomasina rehetra amin’ny morontsiraka atsinanana manontolo mba tsy hiandriaka intsony, hoy ny filazan’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetry ny andro omaly.


Hanorana tandrifindrahona sy hanorana malefaka manomboka anio alarobia ny faritra atsinanana sy avaratry nosy toa an’Antsinanana, Diana, Sava, Melaky.Rahampitso alakamisy kosa dia hanorana amin’ny ankapobeny ny morontsiraka atsinanana iray manontolo miampy ny ilany atsinanan’ny afovoan-tany. Saika ho maina kosa ny ilany andrefan’ny Nosy. Saika hahitana orana avokoa ny faritra maro manerana ny Nosy ny zoma ho avy izao fa ho betsaka kokoa ny any Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana mihazo an’i Matsiatra ambony sy Ihorombe
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT