Actualités

Hevitry ny olona Ahoana ny fijerinao ny ho fisehon’io amin’ny sabotsy io ?


  • Zoma 18 Febroary 2011


Rahery, 42 taona, mpiasa tsotra : Izahay aloha ho eny e ! Tsy te hahalala izay hiseho izahay fa izy ary sahy hakaty ka izaho indray ve no hatahotra ?

 

Martin, mpivarotra boky : Efa ela no niandrasana. Tsy maintsy handalo eny na hanome moraly azy fotsiny aza. Fa tsy ho mora aloha io e, indrindra fa raha vitsy ny olona, dia ho raisim-potsiny eny daholo.

 

Felana, miasa tena : Matahotra ny ho eny aho. Ohatran’ny mamofona korontana ny fijeriko azy nefa tsy haiko e…. Rahampitso angamba manapa-kevitra farany.

 

Noro, mpanao asa tanana : Izahay indray dia efa ela no niandry an’izao. Tsy maintsy mandeha. Mitondra rano na vinaingitra sy mosara fotsiny amin’izay mety ho lakrymôzena e !

 

Rivo, mpivarotra fiara : Tsy fantatro aloha raha ho sahy izy e ! Sady efa vitsy koa anie ny olona tia an-dRavalamonana izany e ! Amiko, tsy raharahako izany fa izay hampandeha ny asako no hiasako loha.

 

Romy, mpivarotra : Izaho aloha mino fa rehefa be dia be ny olona dia tsy sahy ry zalahy ireo. Jereo fotsiny ireny niseho tany Egypta sy Tonizia reny e ! Tsy maintsy ny vahoaka ihany no tompon’ny teny farany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT