Hetsiky ny Tanora Antsirabe

> Mitaona ny vahoaka hanao fangatahana eny amin’ny CES indray


  • Sabotsy 31 Aogositra 2013

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny mpitarika ny Hetsiky ny Tanora ao Antsirabe taorian’ny fandavan’ny CES ny filatsahan-kofidian'ny kandida Lalao Ravalomanana sy taorian’ny fandavan’ny CES ny taratasy fangatahana fanoloana ny kandida atolotry ny ankolafy Ravalomanana.

 

Mahatsapa ny Hetsiky ny Tanora ao Antsirabe fa : «isika vahoaka sy ny zontsika mihitsy no voahitsakitsaka sy atao tsinontsinona amin’izao fotoana koa ho fiaraha-mientana sy hanehoana ny safidintsika dia manao antso avo ho an’ireo fikambanana, antoko politika, olon-tsotra, indrindra indrindra ny vahoaka Malagasy, izay mahatsapa tena sy mankato fa i Neny Lalao Ravalomanana ihany no safidy tokana ho antsika amin’izao fifidianana izay kasaina hatao eto Madagasikara izao mba hiray hina ka sy haneho firaisan-tsaina tanteraka ka hanao taratasy fangatahana miaraka indray hangataka ny hankatoavan’ny CES ny kandida Lalao Ravalomanana», araka ny fanambarana nataon’izy ireo. Raha ny fanazavana moa dia efa maro ny mpahay lalàna sy mpitolona no efa mikaon-doha amin’ny fanomanana ity taratasy ity ka rehefa vonona ny taratasy dia holazaina ny daty sy ny fotoana hanaterana azy eny aminy CES.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT